Blaogin'ny vetsomena

Blaogy Malagasy

Zon'olombelona

Fa ireto communes ireto ve ao tsara sa tsy ao e raha hanampy an'ireo olona ireo ihany aleo mba namoronana trano ireo da tsy anatin'io fiara io no ametrahana azy 😣😔😣😔😣😔

Raha ny zava-misy ankehitriny no resahina dia tena tsy voahaja tanteraka ny zon'olombelona fa toa mifamono sy mampiasa ny fitiavan-tenany ny tsirairay. Betsaka ihany izay ny zava-nitranga etsy sy eroa indrindra moa fa ny eto Madagasikara efa tsy misy fotony mihintsy izany hoe maha-olombelona izany fa eo ny asan-jiolahy etsy sy eroa, eo koa ny famonoana olona feno habibiana sy ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa. Raha ity andron'ny frankofonie ity no resahina dia toa fihatsaram-belatsihy ihany izao satria dia noterena fotsiny ny Malagasy hanaraka izay tian'ny mpitondra atao mba afahan'ozy oreo miloka tena ho mahavita azy ary mihevitra ny tenany ho malaza amin'ny fanavaozana an'ny gasikara, kanefa raha tena te hampiseho ny tena maha-panan-karena ny gasy ry zareo mpitondra dia tokony efa natombony tamin'ny fanampiana ireo mahantra sy ny 4mi eny andalam-be eny izany mba hampadio ny tanana ary koa niezaka ny hampitombo ny tombotsoan'ny gasy eo anatrehan'ireo firenena maro fa tsy hiezaka hanatombo ny tombotson'ny tena

 

Ho an'ny mpitondra ity hafatra ity mba aoka re hijanona amin'izay ireny toetra ratsy tamin'ny lasa ireny fa mba tena hampandroso ny gasikara ianareo. Miandry anareo ny Malagasy, miandry anareo ny tanindrazana, miandry anareo gasikara  


Ny fitiavako anao (tononkalo)

1_toa misy zavatra hafahafa      

Izay nilatsaka ato am-poko

Fa toa ny rano mangatsiaka

Ka tsy tantin'ny foko

2_fony tonga ilay fotoana

Ilay fotoana fitsapana

Dia toa variana ery

Izany foko nahita azy

3_menamenatra aho taloha

Hatramin'izay niandohany

Tsy nahafatarako ilay

Fitiavana hatrizay doria

4_fa hatramin'izao kosa

Dia tsy ho sarotra ho ahy

Ny hilaza hoe tiako ianao

Mandrakizay doria. Amen

5_tsy mivazivazy aho akory

Na hiteniteny foana

Fa raha tsy mino ahy ianao

Dia averiko indray hoe tiako ianao

6_tsy toy ny bisikiketa nopôpina

Ny fitiavako anao

Fa toy ny raozy iray

Izay maniry ato am-poko

7_efa nikarakara anao aho

Nandritra ny fotoana ela

Ka nahavokatra be dia be

An'ilay raoziko fahiny

8_izaho tsy hanery anao velively

Ny hiaraka amiko

Fa raha mitovy ny lanja

Dia raiso ny tanako

9_tiako loatra ianao

Hatramin'izay ka hatramin'izao

Fa raha ny fitiavako anao

Dia toy ilay raozy keliko

10_tsy tiako avela ho irery

Na any an-kafa koa

Ianao ry ilay malala

Fa ho ahy samirery

11_ilay Amboarako hatrizay

Ankehitriny sy mandrakizay

Tsy misy afa-tsy ianao

Ry ilay olon-tiako


Blaogy vetsomena

Tongasoa eto amin'ity blaogy ity. Ity no lahatsoratro voalohany eto