Blaogin'ny vetsomena

Blaogy Malagasy

Zon'olombelona

11/23/2016 22:39

Fa ireto communes ireto ve ao tsara sa tsy ao e raha hanampy an'ireo olona ireo ihany aleo mba namoronana trano ireo da tsy anatin'io fiara io no ametrahana azy 😣😔😣😔😣😔

Raha ny zava-misy ankehitriny no resahina dia tena tsy voahaja tanteraka ny zon'olombelona fa toa mifamono sy mampiasa ny fitiavan-tenany ny tsirairay. Betsaka ihany izay ny zava-nitranga etsy sy eroa indrindra moa fa ny eto Madagasikara efa tsy misy fotony mihintsy izany hoe maha-olombelona izany fa eo ny asan-jiolahy etsy sy eroa, eo koa ny famonoana olona feno habibiana sy ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa. Raha ity andron'ny frankofonie ity no resahina dia toa fihatsaram-belatsihy ihany izao satria dia noterena fotsiny ny Malagasy hanaraka izay tian'ny mpitondra atao mba afahan'ozy oreo miloka tena ho mahavita azy ary mihevitra ny tenany ho malaza amin'ny fanavaozana an'ny gasikara, kanefa raha tena te hampiseho ny tena maha-panan-karena ny gasy ry zareo mpitondra dia tokony efa natombony tamin'ny fanampiana ireo mahantra sy ny 4mi eny andalam-be eny izany mba hampadio ny tanana ary koa niezaka ny hampitombo ny tombotsoan'ny gasy eo anatrehan'ireo firenena maro fa tsy hiezaka hanatombo ny tombotson'ny tena

 

Ho an'ny mpitondra ity hafatra ity mba aoka re hijanona amin'izay ireny toetra ratsy tamin'ny lasa ireny fa mba tena hampandroso ny gasikara ianareo. Miandry anareo ny Malagasy, miandry anareo ny tanindrazana, miandry anareo gasikara  


Valio

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

Hevitra